plt_tn/2sa/11/18.md

876 B

nandefa teny tany amin'i Davida momba ny zavatra mahakasika ny ady i Joaba

Ny andianteny hoe "nandefa teny" dia midika fa nandefa mpitondra hafatra mba hitondra tatitra izy. DH: "Nandefa mpitondra hafatra mba hitondra tatitra i Joaba"

Nahoana no nanakaiky loatra ny tanàna ianao ...avy eny amin'ny manda

Lazain'i Joaba fa mety hiteny mafy azy i Davida tamin'ny nametrahany ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo fanontaniana ireo dia mety ho soratana ho fehezanteny. DH: "Tokony tsy nandeha akaiky loatra ny tanàna mba hiady ianao. Tokony ho fantatrao fa hitifitra avy eny amin'ny manda izy ireo".

avy eny amin'ny manda izy ireo no hitifitra

Io dia manondro ireo lehilahin'ny tanàna mitifitra zana-tsipìka midina any amin'ny fahavalon'izy ireo avy eny an-tampon'ny mandan'ny tanàna. DH: "nitifitra zana-tsipìka anao avy eny an-tampon'ny mandan'ny tanàna"