# nandefa teny tany amin'i Davida momba ny zavatra mahakasika ny ady i Joaba Ny andianteny hoe "nandefa teny" dia midika fa nandefa mpitondra hafatra mba hitondra tatitra izy. DH: "Nandefa mpitondra hafatra mba hitondra tatitra i Joaba" # Nahoana no nanakaiky loatra ny tanàna ianao ...avy eny amin'ny manda Lazain'i Joaba fa mety hiteny mafy azy i Davida tamin'ny nametrahany ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo fanontaniana ireo dia mety ho soratana ho fehezanteny. DH: "Tokony tsy nandeha akaiky loatra ny tanàna mba hiady ianao. Tokony ho fantatrao fa hitifitra avy eny amin'ny manda izy ireo". # avy eny amin'ny manda izy ireo no hitifitra Io dia manondro ireo lehilahin'ny tanàna mitifitra zana-tsipìka midina any amin'ny fahavalon'izy ireo avy eny an-tampon'ny mandan'ny tanàna. DH: "nitifitra zana-tsipìka anao avy eny an-tampon'ny mandan'ny tanàna"