plt_tn/2sa/07/18.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# Iza aho, ry Yaveh Andriamanitra, ary inona ny fianakaviako no nentinao ho amin'izao tanjona izao aho?
Mametraka io fanontaniana io i Davida mba hilazana ny fihetse-po lalina tsapany tamin'ny nandrenesana ny fanambaran'i Yaveh. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ny fianakaviako sy Izaho dia tsy mendrika izao voninahitra izao, ry Yaveh Andriamanitra."
# zavatra kely eo imasonao izany
Eto ny hoe "imasonao" dia manambara izay hiheveran'i Yaveh zavatra iray. DH: "toa zavatra kely Aminao tokoa aza ny hanao izany"
# fianakavian'ny mpanomponao
Eto i Davida dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao". DH: "ny fianakaviako"
# ny amin'izay lehibe ho avy
Io dia miresaka momba ny fotoana toy ny hoe zavatra izay mandeha sy tonga any ho any izany. DH: "ary izay hiseho amin'izy ireo amin'ny hoavy"
# Inona no mbola azoko, izaho Davida, lazaina aminao?
Mampiasa io fanontaniana io i Davida mba hanindriana fa tsy manan-javatra tavela holazaina amin'i Yaveh izy. DH: "Tsy misy zavatra mihoatra afaka lazaiko Aminao."
# mpanomponao
Eto i Davida dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao". DH: "izaho"