plt_tn/2sa/07/18.md

1.1 KiB

Iza aho, ry Yaveh Andriamanitra, ary inona ny fianakaviako no nentinao ho amin'izao tanjona izao aho?

Mametraka io fanontaniana io i Davida mba hilazana ny fihetse-po lalina tsapany tamin'ny nandrenesana ny fanambaran'i Yaveh. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ny fianakaviako sy Izaho dia tsy mendrika izao voninahitra izao, ry Yaveh Andriamanitra."

zavatra kely eo imasonao izany

Eto ny hoe "imasonao" dia manambara izay hiheveran'i Yaveh zavatra iray. DH: "toa zavatra kely Aminao tokoa aza ny hanao izany"

fianakavian'ny mpanomponao

Eto i Davida dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao". DH: "ny fianakaviako"

ny amin'izay lehibe ho avy

Io dia miresaka momba ny fotoana toy ny hoe zavatra izay mandeha sy tonga any ho any izany. DH: "ary izay hiseho amin'izy ireo amin'ny hoavy"

Inona no mbola azoko, izaho Davida, lazaina aminao?

Mampiasa io fanontaniana io i Davida mba hanindriana fa tsy manan-javatra tavela holazaina amin'i Yaveh izy. DH: "Tsy misy zavatra mihoatra afaka lazaiko Aminao."

mpanomponao

Eto i Davida dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao". DH: "izaho"