plt_tn/2sa/04/11.md

1.0 KiB

Maika fa...tsy tokony hangataka ny ràny eo an-tananareo ve aho, ary manala anareo eto an-tany?

Io fanontaniana io dia nampiasaina mba hanehoana fa efa nanao heloka be vava indrindra ireo lehilahy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Mbola meloka kokoa aza ianao! Adidiko ny mitaky ny ràny amin'ny tananao sy ny hanala anao amin'ny tany".

hangataka ny ràny eo an-tananareo

Ny andianteny hoe "ràny" dia manambara ny ain'i Isboseta. Eto ny hoe "eo an-tananareo" dia manambara an'i Rekaba sy Bana, ireo zanaka lahin'i Rimona Berotita, izay nampidirina tao amin'ny 4:5. DH: "mihazona anao ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'i Isboseta"

nanapaka ny loha sy ny tongotr'izy ireo ary nanantona azy ireo

Ireo dia fihetsika famantarana mba hanehoana fanamavoana ireo lehilahy.

nalain'izy ireo ny lohan'Isboseta ary naleviny tao amin'ny fasana

Io dia fihetsika famantarana mba hanomezam-boninahitra an'i Isboseta. Io dia afaka nambara mazava. DH: "nomen'izy ireo voninahitra tamin'ny nandevenana ny lohany tao am-pasana i Isboseta"