# Maika fa...tsy tokony hangataka ny ràny eo an-tananareo ve aho, ary manala anareo eto an-tany? Io fanontaniana io dia nampiasaina mba hanehoana fa efa nanao heloka be vava indrindra ireo lehilahy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Mbola meloka kokoa aza ianao! Adidiko ny mitaky ny ràny amin'ny tananao sy ny hanala anao amin'ny tany". # hangataka ny ràny eo an-tananareo Ny andianteny hoe "ràny" dia manambara ny ain'i Isboseta. Eto ny hoe "eo an-tananareo" dia manambara an'i Rekaba sy Bana, ireo zanaka lahin'i Rimona Berotita, izay nampidirina tao amin'ny 4:5. DH: "mihazona anao ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'i Isboseta" # nanapaka ny loha sy ny tongotr'izy ireo ary nanantona azy ireo Ireo dia fihetsika famantarana mba hanehoana fanamavoana ireo lehilahy. # nalain'izy ireo ny lohan'Isboseta ary naleviny tao amin'ny fasana Io dia fihetsika famantarana mba hanomezam-boninahitra an'i Isboseta. Io dia afaka nambara mazava. DH: "nomen'izy ireo voninahitra tamin'ny nandevenana ny lohany tao am-pasana i Isboseta"