plt_tn/2sa/03/24.md

702 B

Inona no nataonao?

Mametraka io fanontaniana io i Joaba mba hibedesana an'i Davida tamin'ny nandefasana am-piadanana an'i Abnera. DH: "Tsy tokony nanao izao ianao!"

Nahoana no nalefanao izy, ka lasa?

Mametraka io fanontaniana io i Joaba mba hibedesana an'i Davida tamin'ny namelana an'i Abnera hitsoaka. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Teto i Abnera ary ianao no namela azy handeha!"

Tsy fantatrao ve...izay rehetra ataonao?

Mametraka io fanontaniana io i Joaba mba handresen-dahatra fa miteti-dratsy hanohitra an'i Davida i Abnera. DH: "Fantatrao tokoa...ny rehetra nataonao".

famorian-dranon'ny Siraha

"Siraha" dia anaran-toerana izay nisy ny lava-drano.