plt_tn/2sa/01/25.md

28 lines
1.0 KiB
Markdown

# Endrey ny fahalavon'ilay mahery teo afovoan'ny ady
Io andianteny io dia miverina ao amin'ny andininy faha 27 mba hanindriana fa maty ireo mpiady mahay indrindra tamin'ny Israely. DH: "Maty an'ady ireo lehilahy mahery"
# ilay mahery
Eto ny hoe "mahery" dia mety manondro an'i Saoly sy i Jonatana irery ihany, na an'ireo miaramilan'ny Israely rehetra. DH: "ireo mpiady mahery"
# fahalavona
Io dia fomba mihaja hilazana hoe "maty".
# Novonoina i Jonatana
DH: "Maty an'ady i Jonatana" na "Novonoin'ny fahavalo i Jonatana"
# teo amin'ny toeranao avo
Manohy miresaka io andiany amin'ny hira io amin'ireo tendrombohitr'i Gilboa tahaka ny nanombohany tao amin'ny 1:21 i Davida.
# Jonatana rahalahiko
Eto ny hoe "rahalahy" dia nampiasaina amin'ny heviny hoe namana tena akaiky.
# Mahatalanjona ny fitiavanao ahy, mihoatra noho ny fitiavan'ireo vehivavy
Eto ny hoe "fitiavana'' dia nampiasaina amin'ny heviny hoe finamanana sy tsy fivadihana. Ny tsy fivadihan'i Jonatana dia lehibe noho ny tsy fivadihan'ny vehivavy amin'ny vadiny sy ny zanany aza.