plt_tn/2sa/01/25.md

1.0 KiB

Endrey ny fahalavon'ilay mahery teo afovoan'ny ady

Io andianteny io dia miverina ao amin'ny andininy faha 27 mba hanindriana fa maty ireo mpiady mahay indrindra tamin'ny Israely. DH: "Maty an'ady ireo lehilahy mahery"

ilay mahery

Eto ny hoe "mahery" dia mety manondro an'i Saoly sy i Jonatana irery ihany, na an'ireo miaramilan'ny Israely rehetra. DH: "ireo mpiady mahery"

fahalavona

Io dia fomba mihaja hilazana hoe "maty".

Novonoina i Jonatana

DH: "Maty an'ady i Jonatana" na "Novonoin'ny fahavalo i Jonatana"

teo amin'ny toeranao avo

Manohy miresaka io andiany amin'ny hira io amin'ireo tendrombohitr'i Gilboa tahaka ny nanombohany tao amin'ny 1:21 i Davida.

Jonatana rahalahiko

Eto ny hoe "rahalahy" dia nampiasaina amin'ny heviny hoe namana tena akaiky.

Mahatalanjona ny fitiavanao ahy, mihoatra noho ny fitiavan'ireo vehivavy

Eto ny hoe "fitiavana'' dia nampiasaina amin'ny heviny hoe finamanana sy tsy fivadihana. Ny tsy fivadihan'i Jonatana dia lehibe noho ny tsy fivadihan'ny vehivavy amin'ny vadiny sy ny zanany aza.