plt_tn/2sa/01/21.md

1.2 KiB

Tendrombohitr'i Gilboa

Niresaka nivantana tamin'ny "Tendrombohitr'i Gilboa" i Davida toy ny hoe nihaino ny hirany ireo.

tsy hisy ando sy orana anie eo aminao

Manozona ny tany izay nahafaty an'ady an'i Saoly mpanjaka i Davida. Izany dia avy amin'ny fanomezana fanajana ho an'i Saoly, izay mpanjaka voahosotr'Andriamanitra.

ny fiarovan'ilay mahery no voaloto

Ny hoe "mahery" eto dia manondro an'i Saoly. Voaloto ny fiarovana satria nianjera tamin'ny tany izany, ary satria nalatsaka teo amin'izany ny ràn'ny mpanjaka.

Ny fiarovan'i Saoly dia tsy voahosotra amin'ny menaka intsony

Vita tamin'ny hoditra ny fiarovan'i Saoly. Mba hiarovana ny fiarovana, dia natsoboka tao anaty menaka izany. DH: "Tsy misy olona hikarakara ny fiarovan'i Saoly intsony"

Avy amin'ny ràn'ireo izay voavono, avy amin'ny fatin'ireo mahery, dia tsy niverina ny tsipîkan'i Jonatana, ary tsy niverim-poana ny sabatr'i Saoly

Eto i Saoly sy i Jonatana dia naseho mba ho toy ny hoe mpiady masiaka sy mahery fo.

tsy niverim-poana ny sabatr'i Saoly

Ny sabatr'i Saoly dia resahina toy ny hoe zava-manan'aina izay afaka miverina ho azy. Raha tokony hoe miverim-poana, dia nilanja ny ràn'ireo fahavalon'i Saoly izay novonoiny izany.