# Tendrombohitr'i Gilboa Niresaka nivantana tamin'ny "Tendrombohitr'i Gilboa" i Davida toy ny hoe nihaino ny hirany ireo. # tsy hisy ando sy orana anie eo aminao Manozona ny tany izay nahafaty an'ady an'i Saoly mpanjaka i Davida. Izany dia avy amin'ny fanomezana fanajana ho an'i Saoly, izay mpanjaka voahosotr'Andriamanitra. # ny fiarovan'ilay mahery no voaloto Ny hoe "mahery" eto dia manondro an'i Saoly. Voaloto ny fiarovana satria nianjera tamin'ny tany izany, ary satria nalatsaka teo amin'izany ny ràn'ny mpanjaka. # Ny fiarovan'i Saoly dia tsy voahosotra amin'ny menaka intsony Vita tamin'ny hoditra ny fiarovan'i Saoly. Mba hiarovana ny fiarovana, dia natsoboka tao anaty menaka izany. DH: "Tsy misy olona hikarakara ny fiarovan'i Saoly intsony" # Avy amin'ny ràn'ireo izay voavono, avy amin'ny fatin'ireo mahery, dia tsy niverina ny tsipîkan'i Jonatana, ary tsy niverim-poana ny sabatr'i Saoly Eto i Saoly sy i Jonatana dia naseho mba ho toy ny hoe mpiady masiaka sy mahery fo. # tsy niverim-poana ny sabatr'i Saoly Ny sabatr'i Saoly dia resahina toy ny hoe zava-manan'aina izay afaka miverina ho azy. Raha tokony hoe miverim-poana, dia nilanja ny ràn'ireo fahavalon'i Saoly izay novonoiny izany.