plt_tn/2pe/03/14.md

1.7 KiB

Manaova ny tsara indrindra avy any aminareo mba tsy hisy pentina sy tsy hanan-tsiny eo anatrehany, am-piadanana

DH: "manaova ny tsara indrindra mba hiainanao amin'ny fomba izay ahitan'Andriamanitra anao ho tsy misy pentina sy tsy manan-tsiny ary amin'ny fiadanana miaraka Aminy sy ny tsirairay."

Tsy misy pentina sy tsy manan-tsiny

Ny teny hoe "tsy misy pentina" sy "tsy manan-tsiny" dia manana dika mitovy ary manamafy ny fahadiovan'ny fitondran-tena.

Tsy misy pentina

Eto io dia midika hoe "tsy misy tsiny."

Eritrereto ny faharetan'ny Tompontsika amin'ny famonjena

Koa satria maharitra ny Tompo, dia mbola tsy tonga ny andron'ny fitsarana. Izany dia manome fahafahana ny olona mba hibebaka ary ho voavonjy, toy ny nazavainy ao amin'ny 3:8. DH: "ary koa, eritrereto ny mahakasika ny faharetan'ny Tompontsika amin'ny fanomezana anareo fahafahana mibebaka ary ho voavonjy."

Araka ny fahendrena izay nomena azy

DH: "araka ny fahendrena izay nomen'Andriamanitra azy."

Paoly dia miresaka izany zavatra izany ao amin'ny taratasiny rehetra

"Paoly dia miresaka ny faharetan'Andriamanitra mitondra ny famonjena amin'ny taratasiny rehetra."

Izay misy zavatra sarotra takarina

Ao amin'ny taratasin'i Paoly dia misy zavatra sarotra takarina.

Olona tsy misy fahalalana ary tsy miorina no manova ireny zavatra ireny

Olona tsy misy fahalalana ary tsy miorina no nandika vilana ny zavatra sarotra takarina tao amin'ny taratasin'i Paoly.

Tsy misy fahalalana ary tsy miorina

"Tsy nianatra ary miovaova." Ireo olona ireo dia tsy nampianarina ny fomba handikana ny soratra masina araka ny tokony ho izy ary tsy miorina tsara amin'ny fahamarinan'ny filazantsara.

Mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany

"Mahatonga fandriganana ho an'ny tenany manokana."