plt_tn/2pe/03/10.md

958 B

Na izany aza

Na dia manam-paharetana aza ny Tompo ary maniry ny olona hibebaka, dia hiverina tokoa Izy ary hitondra fitsarana.

Ho avy toy ny mpangalatra ny andron'ny Tompo

Petera dia miresaka ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra toy ny mpangalatra izay tonga tampoka ary tsy ampoizin'ny olona.

Ny lanitra dia hanjavona

"Ny lanitra dia tsy ho hita."

Ny zavatra rehetra dia ho main'ny afo

DH: "Andriamanitra dia handoro ireo zavatra rehetra amin'ny afo."

Ny zavatra rehetra

Mety ho dikany dia izao: 1) ny vatana any an-danitra, toy ny masoandro, volana, ary ireo kintana na 2) ireo zavatra izay mandrafitra ny lanitra sy tany, toy ny, nofon-tany, rivotra, afo, ary rano.

Ny tany sy ireo asa ao aminy dia hambara

Andriamanitra dia hahita ny tany manontolo sy ny asa ataon'ny olona rehetra, ary hitsara ny zava-drehetra Izy amin'izay. DH: "Andriamanitra dia hampiharihary ny tany sy ny zava-drehetra nataon'ny olona tao."