plt_tn/2pe/03/10.md

24 lines
958 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Na izany aza
Na dia manam-paharetana aza ny Tompo ary maniry ny olona hibebaka, dia hiverina tokoa Izy ary hitondra fitsarana.
# Ho avy toy ny mpangalatra ny andron'ny Tompo
Petera dia miresaka ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra toy ny mpangalatra izay tonga tampoka ary tsy ampoizin'ny olona.
# Ny lanitra dia hanjavona
"Ny lanitra dia tsy ho hita."
# Ny zavatra rehetra dia ho main'ny afo
DH: "Andriamanitra dia handoro ireo zavatra rehetra amin'ny afo."
# Ny zavatra rehetra
Mety ho dikany dia izao: 1) ny vatana any an-danitra, toy ny masoandro, volana, ary ireo kintana na 2) ireo zavatra izay mandrafitra ny lanitra sy tany, toy ny, nofon-tany, rivotra, afo, ary rano.
# Ny tany sy ireo asa ao aminy dia hambara
Andriamanitra dia hahita ny tany manontolo sy ny asa ataon'ny olona rehetra, ary hitsara ny zava-drehetra Izy amin'izay. DH: "Andriamanitra dia hampiharihary ny tany sy ny zava-drehetra nataon'ny olona tao."