plt_tn/2pe/03/03.md

1.1 KiB

Fantaro aloha izao

''Fantaro aloha izao ho zava-dehibe indrindra.''

Handeha araka ny filàn'izy ireo manokana

Eto ny teny hoe: "filàna" dia manondro ireo fanirian-dratsy izay mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra. DH: "miaina araka ny fanirian-dratsin'izy ireo manokana."

Mandeha

fihetsika, fitondran-tena.

Aiza ny fampanantenana ny amin'ny fiverenany?

Ireo mpaneso dia hanontany io fanontaniana io mba hanamafisana fa izy ireo dia tsy mino fa i Jesosy dia hiverina. Ny teny hoe: "fampanantenana" dia manondro ny fahatanterahan'ny fampanantenana fa Jesosy dia hiverina. DH: "Ny fampanantenana fa Jesosy dia hiverina dia tsy marina! Izy dia tsy hiverina!"

nodian'ireo razam-be mandry

Eto ny teny hoe "razambe" dia manondro ireo olona izay niaina fahiny. "nodimandry" dia midika hoe fahafatesana.

Tsy niova ny zavatra rehetra, eny fa hatramin'ny fiantombohan'izao tontolo izao aza

Ireo mpaneso dia nilaza fa satria tsy nisy fiovana teo amin'izao tontolo izao, dia tsy marina ny hiverenan'i Jesosy.

Hatramin'ny fiantombohan'izao tontolo izao

DH: "fony Andriamanitra namorona izao tontolo izao."