plt_tn/2pe/03/03.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fantaro aloha izao
''Fantaro aloha izao ho zava-dehibe indrindra.''
# Handeha araka ny filàn'izy ireo manokana
Eto ny teny hoe: "filàna" dia manondro ireo fanirian-dratsy izay mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra. DH: "miaina araka ny fanirian-dratsin'izy ireo manokana."
# Mandeha
fihetsika, fitondran-tena.
# Aiza ny fampanantenana ny amin'ny fiverenany?
Ireo mpaneso dia hanontany io fanontaniana io mba hanamafisana fa izy ireo dia tsy mino fa i Jesosy dia hiverina. Ny teny hoe: "fampanantenana" dia manondro ny fahatanterahan'ny fampanantenana fa Jesosy dia hiverina. DH: "Ny fampanantenana fa Jesosy dia hiverina dia tsy marina! Izy dia tsy hiverina!"
# nodian'ireo razam-be mandry
Eto ny teny hoe "razambe" dia manondro ireo olona izay niaina fahiny. "nodimandry" dia midika hoe fahafatesana.
# Tsy niova ny zavatra rehetra, eny fa hatramin'ny fiantombohan'izao tontolo izao aza
Ireo mpaneso dia nilaza fa satria tsy nisy fiovana teo amin'izao tontolo izao, dia tsy marina ny hiverenan'i Jesosy.
# Hatramin'ny fiantombohan'izao tontolo izao
DH: "fony Andriamanitra namorona izao tontolo izao."