plt_tn/2pe/02/20.md

1.3 KiB

Ireo fahalotoan'izao tontolo izao

Ny teny hoe: "fahalotoana" dia manondro ireo fitondran-tena mpanota izay mahatonga ny iray ho maloto fitondran-tena. Ny teny hoe: "izao tontolo izao" dia manondro fiaraha-monin'ny olombelona. DH: "ireo fanao mandoto ny fiaraha-monin'ny olombelona mpanota."

Amin'ny alalan'ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy

Ny hoe "fahalalana" dia afaka adikanao amin'ny fampiasana andian-teny iray. DH: "Amin'ny fahafantaranao an'i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy."

Hanjary ratsy noho ilay toe-javatra voalohany ilay toe-javatra farany

"Miharatsy noho ny teo aloha ny zava-mitranga eo amin'izy ireo."

Ny lalan'ny fahamarinana

Petera dia miresaka ny fiainana toy ny hoe "lalana iray." Izany andian-teny izany dia manondro ny miaina fiainana iray izay mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra.

Ny didy masina natolotra azy ireo

DH: "ny didy masina izay nomen'Andriamanitra azy ireo."

Marina ho azy ireo ity ohabolana ity

"Ity ohabolana ity dia mihatra amin'izy ireo" na "ity ohabolana ity dia mamaritra azy ireo."

Ny amboa no miverina amin'ny loany. Ny kisoa efa nisasa miverina mihoso-potaka

Petera dia mampiasa ohabolana roa mba hampisehoana fa ny mpampianatra sandoka, na dia nahafantatra ny "lalan'ny fahamarinana aza," dia niverina tamin'ny zavatra izay mahatonga azy ireo ho maloto ara-pitondran-tena sy ara-panahy.