plt_tn/2pe/02/20.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ireo fahalotoan'izao tontolo izao
Ny teny hoe: "fahalotoana" dia manondro ireo fitondran-tena mpanota izay mahatonga ny iray ho maloto fitondran-tena. Ny teny hoe: "izao tontolo izao" dia manondro fiaraha-monin'ny olombelona. DH: "ireo fanao mandoto ny fiaraha-monin'ny olombelona mpanota."
# Amin'ny alalan'ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy
Ny hoe "fahalalana" dia afaka adikanao amin'ny fampiasana andian-teny iray. DH: "Amin'ny fahafantaranao an'i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy."
# Hanjary ratsy noho ilay toe-javatra voalohany ilay toe-javatra farany
"Miharatsy noho ny teo aloha ny zava-mitranga eo amin'izy ireo."
# Ny lalan'ny fahamarinana
Petera dia miresaka ny fiainana toy ny hoe "lalana iray." Izany andian-teny izany dia manondro ny miaina fiainana iray izay mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra.
# Ny didy masina natolotra azy ireo
DH: "ny didy masina izay nomen'Andriamanitra azy ireo."
# Marina ho azy ireo ity ohabolana ity
"Ity ohabolana ity dia mihatra amin'izy ireo" na "ity ohabolana ity dia mamaritra azy ireo."
# Ny amboa no miverina amin'ny loany. Ny kisoa efa nisasa miverina mihoso-potaka
Petera dia mampiasa ohabolana roa mba hampisehoana fa ny mpampianatra sandoka, na dia nahafantatra ny "lalan'ny fahamarinana aza," dia niverina tamin'ny zavatra izay mahatonga azy ireo ho maloto ara-pitondran-tena sy ara-panahy.