plt_tn/2ki/22/01.md

956 B

iraika amby telopolo taona

"31 taona"

Jedida

Anaram-behivavy.

Adaia

Anaran-dehilahy

Bozkata

Anarana renivohitra any Joda izany.

Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy

Eto ny hoe "imaso" dia ilazana ny heritreritr'i Yaveh na na izay fomba fiheverany mikasika ny zavatra iray. DH: "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa marina izy" na "Nanao izay marina amin'i Yaveh"

Nandeha tamin'ireo lalana rehetran'i Davida razambeny izy

Ny fitondran-tenan'i Josia tahaka an'i Davida dia resahina toy ny hoe nandeha tamin'ny lalana izay nandehanan'i Davida izy. DH: "Niaina ny fomba fiainana'i Davida razany izy" na "Nanaraka ny ohatr'i Davida razany izy"

tsy nivily lalana niankavia na niankavanana

Ny fankatoavana tanteraka an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalana mahitsy iray ary tsy mivily amin'izany mihitsy. DH: "tsy nanao zavatra izay tsy nankasitrahan'i Yaveh izy" na "nankatò tanteraka ireo lalàn'i Yaveh rehetra izy"