plt_tn/2ki/13/03.md

1.0 KiB

Nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'i Yaveh

Toy ny hoe efo mandoro ny nilazana ny fahatezeran'i Yaveh tamin'Israely. DH: "Ary tezitra mafy tamin'i Yaveh i Israely"

nanolotra azy ireo teny an-tanan'i Hazaela mpanjakan'i Syria hatrany Izy ary teny an-tanan'i Beni-Hadada zanaka lahin'i Hazaela

Eto ny hoe "azy ireo" dia manondro an'Israely ary ny hoe "tanana" dia ilazana ny herin'ny fifehezan'izy ireo. DH: "namela an'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy Beni-Hadada, zanany lahy, nandresy hatrany ireo Israelita tany an'ady"

niangavy an'i Yaveh

"nivavaka tamin'i Yaveh"

hitany ny fahorian'Israely, ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria azy ireo

Mitovy ihany ny hevitr'ireo andian-teny ireo ary naverina indroa izay mba hisongadina. DH: "hitany ny hamafin'ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria ny Israely"

mpamonjy

"olona hamonjy azy ireo"

nitsoaka avy tamin'ny tanan'ireo Syriana izy ireo

Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny hery hifehezana azy ireo. DH: "namela azy ireo ho afaka amin'ny fahefan'i Syria Izy"