plt_tn/2ki/13/03.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'i Yaveh
Toy ny hoe efo mandoro ny nilazana ny fahatezeran'i Yaveh tamin'Israely. DH: "Ary tezitra mafy tamin'i Yaveh i Israely"
# nanolotra azy ireo teny an-tanan'i Hazaela mpanjakan'i Syria hatrany Izy ary teny an-tanan'i Beni-Hadada zanaka lahin'i Hazaela
Eto ny hoe "azy ireo" dia manondro an'Israely ary ny hoe "tanana" dia ilazana ny herin'ny fifehezan'izy ireo. DH: "namela an'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy Beni-Hadada, zanany lahy, nandresy hatrany ireo Israelita tany an'ady"
# niangavy an'i Yaveh
"nivavaka tamin'i Yaveh"
# hitany ny fahorian'Israely, ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria azy ireo
Mitovy ihany ny hevitr'ireo andian-teny ireo ary naverina indroa izay mba hisongadina. DH: "hitany ny hamafin'ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria ny Israely"
# mpamonjy
"olona hamonjy azy ireo"
# nitsoaka avy tamin'ny tanan'ireo Syriana izy ireo
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny hery hifehezana azy ireo. DH: "namela azy ireo ho afaka amin'ny fahefan'i Syria Izy"