plt_tn/2ki/11/07.md

769 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola nanohy nanome ireo fepetra an'ireo miaramila izay hiambina an'i Joasy mpanjaka i Joiada.

ho an'ny mpanjaka

Niambina ny mpanjaka mba tsy ho azon-doza izy ireo. DH: "mba hiarovana an'i Joasy mpanjaka"

Na iza na iza miditra eo an-daharanareo

Izany dia ilazana ny filaharan'adin'ireo miaramila. DH: "Na iza na iza manandrana mandalo eo aminareo rehefa miaro an'i Joasy mpanjaka ianareo"

aoka hovonoina izy

Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tonga dia vonoy"

Tsy maintsy hanaraka ny mpanjaka ianareo rehefa mivoaka, sy rehefa miditra izy.

Izany dia midika fa na inona na inona ataon'ny mpanjaka dia tsy maintsy arahina izy. DH: "Tsy maintsy mijanona eo akain'ny mpanjaka ianareo amin'ny fotoana rehetra"