# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola nanohy nanome ireo fepetra an'ireo miaramila izay hiambina an'i Joasy mpanjaka i Joiada. # ho an'ny mpanjaka Niambina ny mpanjaka mba tsy ho azon-doza izy ireo. DH: "mba hiarovana an'i Joasy mpanjaka" # Na iza na iza miditra eo an-daharanareo Izany dia ilazana ny filaharan'adin'ireo miaramila. DH: "Na iza na iza manandrana mandalo eo aminareo rehefa miaro an'i Joasy mpanjaka ianareo" # aoka hovonoina izy Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tonga dia vonoy" # Tsy maintsy hanaraka ny mpanjaka ianareo rehefa mivoaka, sy rehefa miditra izy. Izany dia midika fa na inona na inona ataon'ny mpanjaka dia tsy maintsy arahina izy. DH: "Tsy maintsy mijanona eo akain'ny mpanjaka ianareo amin'ny fotoana rehetra"