plt_tn/2ki/10/23.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# ary hoy izy tamin'ireo mpanompon'i Bala
"ary hoy Jeho tamin'ireo olona izay tao an-tempoly mba hidera an'i Bala"
# fa mpanompon'i Bala ihany
"fa ireo mpanompon'i Bala ihany no ao"
# Raha misy tafatsoaka amin'ireo lehilahy izay entiko eo an-tananareo
Eto ny hoe "eo an-tanana..." dia ilazana ny hoe "fifehezana." Satria miantsona manodidina ny tempoly izy ireo, noho izany dia izy ireo no mifehy ny zava-misy ary miankina amin'izy ireo no ahafahan'ny olona mandositra na tsia. DH: "ra misy tafatsoaka amin'ireo lehilahy izay nentiko ho fehezinareo" na "raha misy tafatsoaka amin'ireo lehilahy ao anatiny ireo"
# na iza na iza mamela izany olona izany handositra, dia ho esorina aminy ny ainy ho solon'ilay tafatsoaka
"hovonoinay ny olona izay mamela azy mandositra"
# ho esorina aminy ny ainy
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. Izany no fomba mihaja ilazana ny olona novoina. DH: "ho esorinay ny ainy" na "ho vonoinay izy"
# ho solon'ilay tafatsoaka
"ho takalon'ny ain'ilay olona" Eto dia ilay lehilahy ihany no tiana lazaina amin'ny hoe "aina," mba hanamafisana fa tsy maty izy. DH: "ho solon'ilay lehilahy"