plt_tn/2ki/08/18.md

1.4 KiB

Nandeha tamin'ireo lalan'ny mpanjakan'Israely i Jehorama

Eto ny hoe "mandeha" dia fomba fiteny ilazana ny fomba niainany sy nanjakany amin'ny maha-mpanjaka azy. Tamin'ny fotoana nisehoan'ny tantara, dia nanao ratsy ireo mpanjakan'Israely tamin'izany fotoana izany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "Mpanjaka ratsy i Jehorama, izay toy ireo mpanjakan'Israely izay nanapaka teo alohany"

tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba

Eto ny hoe "ankohonan'i Ahaba" dia ilazana ireo fianakavian'i Ahaba sy ireo taranany. Rafozan-dahin'i Jehorama i Ahaba. DH: "tahaka nataon'ireo ambin'ny fianakavian'i Ahaba"

satria nanana ny zanaka vavin'i Ahaba ho vadiny izy

Nanambady ny zanaka vavin'i Ahaba mpanjaka i Jehorama.

nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy

Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy" na "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy"

handrava an'i Joda

Eto ny hoe "Joda" dia sarinteny ilazana ny olona izay monina ao. DH: "hamotika ny olon'i Joda"

satria niteny taminy Izy fa hanome azy taranaka mandrakariva

"Satria niteny tamin'i Davida i Yaveh fa hanome an'i Davida taranaka mandrakariva." Izany dia ilazana ny fianianan'i Yaveh tamin'i Davida fa hanapaka an'i Joda mandrakariva ireo taranany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "satria nilaza tamin'i Davida izy fa hanapaka an'i Joda mandrakariva ireo taranany"