plt_tn/2ki/08/18.md

24 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Nandeha tamin'ireo lalan'ny mpanjakan'Israely i Jehorama
Eto ny hoe "mandeha" dia fomba fiteny ilazana ny fomba niainany sy nanjakany amin'ny maha-mpanjaka azy. Tamin'ny fotoana nisehoan'ny tantara, dia nanao ratsy ireo mpanjakan'Israely tamin'izany fotoana izany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "Mpanjaka ratsy i Jehorama, izay toy ireo mpanjakan'Israely izay nanapaka teo alohany"
# tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba
Eto ny hoe "ankohonan'i Ahaba" dia ilazana ireo fianakavian'i Ahaba sy ireo taranany. Rafozan-dahin'i Jehorama i Ahaba. DH: "tahaka nataon'ireo ambin'ny fianakavian'i Ahaba"
# satria nanana ny zanaka vavin'i Ahaba ho vadiny izy
Nanambady ny zanaka vavin'i Ahaba mpanjaka i Jehorama.
# nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy" na "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy"
# handrava an'i Joda
Eto ny hoe "Joda" dia sarinteny ilazana ny olona izay monina ao. DH: "hamotika ny olon'i Joda"
# satria niteny taminy Izy fa hanome azy taranaka mandrakariva
"Satria niteny tamin'i Davida i Yaveh fa hanome an'i Davida taranaka mandrakariva." Izany dia ilazana ny fianianan'i Yaveh tamin'i Davida fa hanapaka an'i Joda mandrakariva ireo taranany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "satria nilaza tamin'i Davida izy fa hanapaka an'i Joda mandrakariva ireo taranany"