forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.8 KiB
Markdown
32 lines
1.8 KiB
Markdown
# ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray ny vary hordea roa famarana
|
|
|
|
Midika izany fa tsy dia mandany vola amin'ireo zavatra ireo toy ny teo aloha ireo Israelita. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "hivarotra ny koba tsara toto eran'ny famarana ho sekely iray sy ny vary hordea indroan'ny famarana ho sekely iray ny vahoaka"
|
|
|
|
# koba tsara toto eran'ny famarana ... vary hordea roa famarana
|
|
|
|
Ny famarana iray dia mitovy amin'ny mari-pandrefesana 7 litatra. DH: "koba tsara toto 7 litatra ... vary hordea 14 litatra"
|
|
|
|
# sekely
|
|
|
|
Ny sekely iray dia mitovy amin'ny 11 grama eo ho eo. DH: "volafotsy 11 grama eo ho eo" na "volafotsy madinika iray"
|
|
|
|
# ny lehiben'ny mpiambina izay nanankinan'ny mpanjaka ny tanany
|
|
|
|
Ny kapiteny lehibe izay mpanampy manokan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe izy ny olona anankinan'ny mpanjaka ny tanany. DH: "ilay kapiteny akaikin'ny mpanjaka" na "ilay kapiteny izay mpanampin'ny mpanjaka manokana"
|
|
|
|
# na dia hanao varavarankely eny amin'ny lanitra aza i Yaveh
|
|
|
|
Ny fandatsahan'i Yaveh ranon'orana mivatravatra mba hampaniry ny vokatra dia resahina toy ny hoe manokatra varavarankely eny amin'ny lanitra i Yaveh ary avy amin'izany no ilatsahan'ny ranon'orana. DH: "na dia nampilatsaka ny oram-be avy eny amin'ny lanitra aza i Yaveh"
|
|
|
|
# hitranga ve izany zavatra izany?
|
|
|
|
Nametraka izany fanontaniana izany ilay kapiteny mba hanehoany ny tsy finoany. Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "tsy hitranga mihitsy izany!"
|
|
|
|
# hahita ny fitrangan'izany ireo masonareo
|
|
|
|
Ny andian-teny hoe "ireo masonareo" dia manasongadina fa tena hahita ireo zavatra izay naminanian'i Elisa ilay kapiteny. DH: "ianao mihitsy no hahita ny fitrangan''ireo zavatra ireo"
|
|
|
|
# kanefa tsy hihinana amin'izany ianareo
|
|
|
|
"kanefa tsy hihinana amin'ny koba tsara toto na ny vary hordea ianao"
|