plt_tn/2ki/07/01.md

1.8 KiB

ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray ny vary hordea roa famarana

Midika izany fa tsy dia mandany vola amin'ireo zavatra ireo toy ny teo aloha ireo Israelita. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "hivarotra ny koba tsara toto eran'ny famarana ho sekely iray sy ny vary hordea indroan'ny famarana ho sekely iray ny vahoaka"

koba tsara toto eran'ny famarana ... vary hordea roa famarana

Ny famarana iray dia mitovy amin'ny mari-pandrefesana 7 litatra. DH: "koba tsara toto 7 litatra ... vary hordea 14 litatra"

sekely

Ny sekely iray dia mitovy amin'ny 11 grama eo ho eo. DH: "volafotsy 11 grama eo ho eo" na "volafotsy madinika iray"

ny lehiben'ny mpiambina izay nanankinan'ny mpanjaka ny tanany

Ny kapiteny lehibe izay mpanampy manokan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe izy ny olona anankinan'ny mpanjaka ny tanany. DH: "ilay kapiteny akaikin'ny mpanjaka" na "ilay kapiteny izay mpanampin'ny mpanjaka manokana"

na dia hanao varavarankely eny amin'ny lanitra aza i Yaveh

Ny fandatsahan'i Yaveh ranon'orana mivatravatra mba hampaniry ny vokatra dia resahina toy ny hoe manokatra varavarankely eny amin'ny lanitra i Yaveh ary avy amin'izany no ilatsahan'ny ranon'orana. DH: "na dia nampilatsaka ny oram-be avy eny amin'ny lanitra aza i Yaveh"

hitranga ve izany zavatra izany?

Nametraka izany fanontaniana izany ilay kapiteny mba hanehoany ny tsy finoany. Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "tsy hitranga mihitsy izany!"

hahita ny fitrangan'izany ireo masonareo

Ny andian-teny hoe "ireo masonareo" dia manasongadina fa tena hahita ireo zavatra izay naminanian'i Elisa ilay kapiteny. DH: "ianao mihitsy no hahita ny fitrangan''ireo zavatra ireo"

kanefa tsy hihinana amin'izany ianareo

"kanefa tsy hihinana amin'ny koba tsara toto na ny vary hordea ianao"