plt_tn/2ki/06/10.md

1.2 KiB

tany amin'ilay toerana izay voalaza sy nampitandreman'ilay olon'Andriamanitra azy

Ilay toerana izay nampitandreman'i Elisa ny mpanjaka ao amin'ny 6:8 no tiana ho lazaina amin'izany.

Tsy indray mandeha na indroa fotsiny, rehefa nandeha tany ilay mpanjaka, dia mailo izy

Nampitandrina ny mpanjaka ny amin'izay toerana ho tafihan'ny Syriana i Elisa mba hahafahany mandefa fanairana ny vahoaka mialohan'ny hitrangan'ny fanafahina. DH: "Toy izany foana no nampitandreman'i Elisa ny mpanjakan'Israely ary afaka nandry fahalemana ireo Israelita"

Tsy hilaza amiko ve ianareo hoe iza eo aminareo no momba ny mpanjakan'Israely?

Niheitra ny mpanjakan'i Syria fa misy mpamadika manome vaovao an'Israely ao amin'ireo miaramilany. Nametraka izany fanontaniana fampisainana izany izy mba hahafantarana izay mpamadika. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Lazao ahy hoe iza aminareo no momba ny mpanjakan'Israely!" na "Lazao ahy hoe iza taminareo no nanambara ny fikasantsika tamin'ny mpanjakan'Israely!"

no miandany amin'ny mpanjakan'Israely

Ny hoe "miandany amin'ny olona" dia midika hoe tsy mivadika amin'ny olona iray, izany hoe nanome vaovao izy ireo mba hanampiana ny mpanjakan'Israely. DH: "no manampy ny mpanjakan'Israely" na "tsy mivadika amin'ny mpanjakan'Israely"