plt_tn/2ki/04/28.md

748 B

Nangataka zanaka taminao ve aho, ry tompoko? Tsy efa niteny ve aho hoe: 'Aza fitahina aho'?

Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ravehivavy mba hanehoany fa tezitra tamin'izay zava-nitranga izy. Nampahatsiahy ilay resany tamin'i Elisa ravehivavy rehefa nilaza izy fa hanan-janaka. Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana izany. DH: "Tsy nangataka taminao aho mba hanome zanaka ahy, nefa kosa nangataka taminao aho mba tsy handainga amiko!"

Miakanjoa ho an'ny dia

"Miomàna ho amin'ny dia"

Raha mifanena amin'ny olona ianao, dia aza miarahaba azy, ary raha misy olona miarahaba anao, dia aza mamaly azy

Nasain'i Elisa nanao ny diany farak'izay haingana i Gehazy, ary tsy nahajanona izy na dia hiresaka amin'ny olona aza.