# Nangataka zanaka taminao ve aho, ry tompoko? Tsy efa niteny ve aho hoe: 'Aza fitahina aho'? Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ravehivavy mba hanehoany fa tezitra tamin'izay zava-nitranga izy. Nampahatsiahy ilay resany tamin'i Elisa ravehivavy rehefa nilaza izy fa hanan-janaka. Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana izany. DH: "Tsy nangataka taminao aho mba hanome zanaka ahy, nefa kosa nangataka taminao aho mba tsy handainga amiko!" # Miakanjoa ho an'ny dia "Miomàna ho amin'ny dia" # Raha mifanena amin'ny olona ianao, dia aza miarahaba azy, ary raha misy olona miarahaba anao, dia aza mamaly azy Nasain'i Elisa nanao ny diany farak'izay haingana i Gehazy, ary tsy nahajanona izy na dia hiresaka amin'ny olona aza.