plt_tn/2ki/02/13.md

717 B

lamba (lamban'i)

Ny lamba dia akanjo ivelany indrindra fitondran'ny mpaminany. Izany dia famantarana ho an'ny asany. Rehefa nalain'i Elisa ny lamban'i Elia dia nolazainy fa nisolo ny toeran'i Elia amin'ny maha-mpaminany azy izy.

Aiza Yaveh, Andriamanitr'i Elia?

Nanontany i Elisa raha momba azy i Yaveh tahaka ny nombany an'i Elia. DH: "Yaveh, Andriamanitr'i Elia, momba ahy ve Ianao?"

nizara teo amin'ny lafiny roa ireo ka niampita Elisa

Nisaraka ny renirano ary namakivaky ny tany maina nankeny am-pita i Elisa, tahaka ny nataony raha mbola niaraka tamin'i Elia izy.

tamin'ny lafiny roa

"niankavia sy niankavanana." Izany dia ilazana ny havia sy ny havanan'ny toerana izay nikapohan'i Elisa ny rano.