plt_tn/2ki/01/15.md

927 B

Satria ve tsy misy Andriamanintra ao Israely izay afaka angatahinao fampahafantarana?

Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba hibedesana azy ireo ny amin'ny nakan'izy ireo hevitra tany amin'i Bala-zeboba. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany. Fanesoana izany satria izy ireo dia mahafantatra tsara an'Andriamanitr'Israely. DH: "Mihevitra mihitsy ianareo fa tsy misy ny Andriamanitr'Israely izay tokony hangatahinareo fampahafantarana!" na "Ry adala! fantatrareo fa misy Andriamanitra azo hakana hevitra ao Israely, nefa ianareo mody tsy mahafantatra."

tsy hidina avy eo amin'ny fandriana izay niakaranao ianao

Rehefa naratra i Ahazia Mpanjaka, dia napetraka teo am-pandriana izy. Niteny i Yaveh fa tsy hihatsara mihitsy izy ary tsy ho tafala eo am-pandriany. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 1:3 izany. DH: "Ianao dia tsy ho sitrana ary tsy ho tafatsangana avy eo am-pandrianao izay hitsoranao"