# Satria ve tsy misy Andriamanintra ao Israely izay afaka angatahinao fampahafantarana? Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba hibedesana azy ireo ny amin'ny nakan'izy ireo hevitra tany amin'i Bala-zeboba. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany. Fanesoana izany satria izy ireo dia mahafantatra tsara an'Andriamanitr'Israely. DH: "Mihevitra mihitsy ianareo fa tsy misy ny Andriamanitr'Israely izay tokony hangatahinareo fampahafantarana!" na "Ry adala! fantatrareo fa misy Andriamanitra azo hakana hevitra ao Israely, nefa ianareo mody tsy mahafantatra." # tsy hidina avy eo amin'ny fandriana izay niakaranao ianao Rehefa naratra i Ahazia Mpanjaka, dia napetraka teo am-pandriana izy. Niteny i Yaveh fa tsy hihatsara mihitsy izy ary tsy ho tafala eo am-pandriany. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 1:3 izany. DH: "Ianao dia tsy ho sitrana ary tsy ho tafatsangana avy eo am-pandrianao izay hitsoranao"