plt_tn/2co/10/05.md

1.2 KiB

ireo zavatra avo izay manangana

I Paoly dia manohy miresaka amin'ny alalan'ny sarin-tenin'ny ady, toy ny hoe tafika ny "fahalalan'Andriamanitra" ary "ny zavatra avo rehetra" dia rindrina izay ataon'ny olona hanakanana ny tafika any ivelany. DH: "ny fanehoan-keitra diso izay heverin'ireo mpirehareha hiarovana ny tenan'izy ireo"

ireo zavatra avo

"Ireo zavatra izay ataon'ny olona mpirehareha"

manangana fanoherana ny fahalalana an'Andriamanitra

Resahin'i Paoly toy ny hoe misy rindrina mitsangana manohitra tafika ireo fanehoan-kevitra. Ny teny hoe: "manangana" dia midika hoe "mitsangana," fa tsy ny hoe "zavatra avo" izay mitsingevana eny amin'ny rivotra. DH: " Mampiasa izany ny olona mba tsy hahafantaran'izy ireo hoe iza Andriamanitra"

Fa mihevitra ny hambabo ny tsirairay amin'ny fankatoavana an'i Kristy isika

Resahin'i Paoly toy ny hoe miaramila fahavalo izay babony tamin'ny ady ny fihevitry ny olona. DH: "Mampiseho izahay fa diso avokoa ireo hevitra hanan'ny ireo olona ary mampianatra ireo olona hankatoa an'i Kirsty izahay"

ny famaizana ny fihetsika tsy fankatoavana

Ny teny hoe "fihetsika tsy fankatoavana" dia hevitra ambadika ilazana ireo olona izay manao izany. DH: "manasazy ny tsirairay aminareo izay tsy mankatoa anay"