plt_tn/2co/10/03.md

1.3 KiB

miady araka ny nofo

Ny teny hoe "nofo" dia hevitra ambadika ilazana ny fiainana ara-nofo. DH: "miaina ny fiainanay amin'ny vatan'olombelona isika"

tsy miady ...iadivantsika

I Paoly dia milaza ny amin'ny fiezahany handresy lahatra ireo Korintiana mba hino azy fa tsy ireo mpampianatra sandoka toy ny hoe miady amin'ny ady ara-nofo izy. Ireo teny ireo dia tokony hadika ara-bakiteny.

tsy miady araka ny nofo

Ireo mety ho dikany 1) ny teny hoe "nofo" dia hevitra ambadika ilazana ny fiainana ara-nofo. DH: "miady amin'ny fahavalonay amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana" na 2) ny teny hoe "nofo" dia hevitra ambadika ho an'ny toetra maha-panota ny olombelona. DH: "miady amin'ny fomba feno fahotana"

Fa ny fiadiana izay iadianay .....tsy mitondra na inona na inona ny hevi-pitak'izy ireo

MIresaka ny amin'ny fahendren'Andriamanitra izay mampiseho ny fahendren'ny olona ho diso ho toy ny hoe ny fitaovam-piadiana izay namotehany ny rindrin'ny fahavalo. DH: "ireo fitaovana entinay miady... mampiseho ny olona fa izay lazain'ireo fahavalonay dia diso tanteraka.''

dia tsy ara-nofo

Ireo mety ho dikany dia 1) ny teny hoe "nofo" dia hevitra ambadika ilazana izay ara-batana fotsiny ihany. DH: "tsy ara-batana" na 2) ny teny hoe "nofo" dia hevitra ambadika ilazana ny toetra maha-panota ny olombelona. DH: "tsy mpanota" na "tsy mamela antsika hanao ratsy"