plt_tn/2co/09/10.md

1.4 KiB

Izy izay mamatsy

"Andriamanitra ilay manome"

mofo ho an'ny sakafo

Eto ny teny hoe "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny anakapobeny. DH: "sakafo hohanina"

dia hamatsy sy hampitombo ny voanao ihany koa ho amin'ny famafazana

I Paoly dia miresaka momban'ny fananan'ireo Korintianina toy ny hoe voa, ary ny fanomezana ho an'ny hafa toy ny hoe mamafy voa izy ireo. DH: "Hamatsy sy hampitombo ny fanananareo ihany koa Izy mba hahafahanareo mamafy amin'ny fanomezana ireny ho an'ny hafa.''

Hampitombo ny vokatry ny fahamarinanao izy

I Paoly dia mampitaha ireo tombontsoa izay ho raisin'ireo Korintiana avy amin'ny falalahan-tanana amin'ny vokatry ny fijinjana. DH: "Andriamanitra hitahy anareo kokoa aza noho ny fahamarinanareo"

ny vokatry ny fahamarinanao

"ny fijinjana izay azo avy amin'ireo asanareo." Eto ny teny hoe "fahamarinana" dia ilazana ireo asa marin'ireo Korintiana amin'ny fanomezana harena ho an'ireo mpino any Jerosalema.

Hahazo harena...fomba rehetra ianao

Azo adika hoe DH: "Andriamanitra dia hampan-karena anareo"

Izany dia hitondra fanehoam-pisaorana an'Andriamanitra amin'ny alalanay

Ny teny hoe "izany" dia maneho ny falalan-tanan'ireo Korintianina. DH: "Noho ny falalan-tananareo, ireo izay nandray ireo fanomezana hoentinay ho azy ireo dia hisaotra an'Andriamanitra" na "Ary rehefa manome ny fanomezanareo ho an'izay mila izany izahay, dia hanome fisaorana an'Andriamanitra izy ireo"