# Izy izay mamatsy "Andriamanitra ilay manome" # mofo ho an'ny sakafo Eto ny teny hoe "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny anakapobeny. DH: "sakafo hohanina" # dia hamatsy sy hampitombo ny voanao ihany koa ho amin'ny famafazana I Paoly dia miresaka momban'ny fananan'ireo Korintianina toy ny hoe voa, ary ny fanomezana ho an'ny hafa toy ny hoe mamafy voa izy ireo. DH: "Hamatsy sy hampitombo ny fanananareo ihany koa Izy mba hahafahanareo mamafy amin'ny fanomezana ireny ho an'ny hafa.'' # Hampitombo ny vokatry ny fahamarinanao izy I Paoly dia mampitaha ireo tombontsoa izay ho raisin'ireo Korintiana avy amin'ny falalahan-tanana amin'ny vokatry ny fijinjana. DH: "Andriamanitra hitahy anareo kokoa aza noho ny fahamarinanareo" # ny vokatry ny fahamarinanao "ny fijinjana izay azo avy amin'ireo asanareo." Eto ny teny hoe "fahamarinana" dia ilazana ireo asa marin'ireo Korintiana amin'ny fanomezana harena ho an'ireo mpino any Jerosalema. # Hahazo harena...fomba rehetra ianao Azo adika hoe DH: "Andriamanitra dia hampan-karena anareo" # Izany dia hitondra fanehoam-pisaorana an'Andriamanitra amin'ny alalanay Ny teny hoe "izany" dia maneho ny falalan-tanan'ireo Korintianina. DH: "Noho ny falalan-tananareo, ireo izay nandray ireo fanomezana hoentinay ho azy ireo dia hisaotra an'Andriamanitra" na "Ary rehefa manome ny fanomezanareo ho an'izay mila izany izahay, dia hanome fisaorana an'Andriamanitra izy ireo"