plt_tn/2co/08/01.md

1.1 KiB

Fampifandrasiana ny foto-kevitra:

Rehefa avy nanome fanazavana ny amin'ny fanovany ny drafitra sy ny lalan'ny asa fanompoana, dia miresaka momba ny fanomezana i Paoly.

fahasoavan'Andriamanitra izay nomena tao amin'ireo fiangonan'i Makedonia

DH: "ny fahasoavana izay nomen'Andriamanitra ho an'ny fiangonan'i Makedonia"

ny fitobaky ny hafaliany sy ny fara-fahantran'izy ireo dia niteraka haren-dehiben'ny falalan-tanana

I Paoly dia miresaka ny "hafaliana" sy ny "fahantrana" ho to ny hoe zava-manan'aina izay afaka mamokatra fahalalahan-tanana. DH: "Noho ny fifaliana lehiben'ny olona sy ny fahantrana farahidiny, dia nanjary nalala-tanana izy ireo"

ny fitobaky ny hafaliany

Resahin'i Paoly toy ny hoe zavatra mivaingana izay afaka mitombo habe sy isa ny fifaliana.

ny fara-fahantran'izy ireo ... haren-dehiben'ny falalan-tanana

Na dia niaritra fitsapanasy fahoriana ary fahantrana aza ny fiangonanan'i Makedonia, tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, dia afaka nanangom-bola ho an'ireo mpino tany Jerosalema izy ireo.

haren-dehiben'ny falalan-tanana

"falalan-tanana lehibe." Ny hoe "haren-dehibe" dia manamafy ny fahalebiazan'ny falalan-tanana.