plt_tn/2co/07/05.md

930 B

Rehefa tonga tany Makedonia izahay

Eto ny teny hoe "izahay" dia manondro an'i Paoly sy Timoty fa tsy ireo Korintiana na Titosy.

tsy hanam-pitsaharana ny tenanay

Eto ny hoe "ny tenanay" dia ilazana ny maha olona manontolo. DH: "tsy nanam-pitsaharana izahay " na "tena reraka izahay"

ory tamin'ny fomba rehetra izahay

Azo adika hoe DH: "niaina olana tamin'ny lafiny rehetra izahay"

nohon'ny fifandirana tany ivelany, sy ny tahotra tao anaty

Ireo mety ho dikan'ny "ivelany" dia 1) "ivelan'ny vatana" na 2) "ivelan'ny fiangonana." Ny teny hoe "anatiny" dia ilazana ny fihetseham-po anatin'izy ireo. DH: "nohon'ny fifandirana amin'ny olona hafa sy noho ny tahotro tao anatinay"

Fa tamin'ny fampaherezana izay noraisin'i Titosy avy aminareo

I Paoly dia nandray fampiononana tamin'ny fahafantarana fa nampionona an'i Titosy ireo Korintiana. DH: "tamin'ny fahafantarana ny amin'ny fampiononana azon'i Titosy taminareo"