plt_tn/2co/06/04.md

36 lines
1.5 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mampiasa ny hoe "izahay" i Paoly eto, manondro ny tenany sy Timoty izy.
# izahay dia manaporofo ny tenanay amin'ny asanay rehetra, fa mpanompon'Andriamanitra izahay
"Manaporofo amin'alalan'ny zavatra rehetra ataonay izahay fa mpanompon'Andriamanitra"
# Izahay no mpanompony amin'ny fiaretana be... amin'ireo alina tsy misy torimaso, amin'ny hanoanana,
Manonona karazana toe-javatra sarotra i Paoly izay manaporofo fa izy ireo dia mpanompon'Andriamanitra.
# amin'ny fahadiovana...amin'ny tena fitiavana
Mitanisa toetra tsara maro i Paoly izay nohazonin'izy ireo nanoloana ny toe-javatra sarotra mba hanaporofoina fa mpanompon'Andriamnitra izy ireo.
# Izahay no mpanompony ao amin'ny tenin'ny fahamarinana, ao amin'ny herin'Andriamanitra
Ny fanoloran-tenan'izy ireo hitory ny filzantsara amin'ny herin'Andriamanitra dia manaporofo fa mpanompon'Andriamanitra izy ireo.
# amin'ny tenin'ny fahamarinana
"amin'ny fitoriana ny teny marin'Andriamanitra"
# Izahay dia manana ny fiarovan'ny fahamarinana ho an'ny tanana havanana sy ny havia.
Resahin'i Paoly toy ny hoe fitaovam-piadiana izay ampiasainy hiadiana ireo ady ara-panahy ny fahamarinan'izy ireo.
# fiarovan'ny fahamarinana
"ny fahamarinana no fiarovantsika" na "ny fahamarinana no fitaovam-piadiantsika"
# ho an'ny tanana havanana sy ny havia
Ireo mety ho dikany dia 1) misy fitaovam-piadiana ny tanana iray ary ampinga eo amin'ny ilany na 2) izy ireo dia hari-fitaovana tanteraka hiatrehana ady, afaka manohitra ny fanafihana avy amin'ny ilany rehetra.