plt_tn/2co/06/04.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mampiasa ny hoe "izahay" i Paoly eto, manondro ny tenany sy Timoty izy.

izahay dia manaporofo ny tenanay amin'ny asanay rehetra, fa mpanompon'Andriamanitra izahay

"Manaporofo amin'alalan'ny zavatra rehetra ataonay izahay fa mpanompon'Andriamanitra"

Izahay no mpanompony amin'ny fiaretana be... amin'ireo alina tsy misy torimaso, amin'ny hanoanana,

Manonona karazana toe-javatra sarotra i Paoly izay manaporofo fa izy ireo dia mpanompon'Andriamanitra.

amin'ny fahadiovana...amin'ny tena fitiavana

Mitanisa toetra tsara maro i Paoly izay nohazonin'izy ireo nanoloana ny toe-javatra sarotra mba hanaporofoina fa mpanompon'Andriamnitra izy ireo.

Izahay no mpanompony ao amin'ny tenin'ny fahamarinana, ao amin'ny herin'Andriamanitra

Ny fanoloran-tenan'izy ireo hitory ny filzantsara amin'ny herin'Andriamanitra dia manaporofo fa mpanompon'Andriamanitra izy ireo.

amin'ny tenin'ny fahamarinana

"amin'ny fitoriana ny teny marin'Andriamanitra"

Izahay dia manana ny fiarovan'ny fahamarinana ho an'ny tanana havanana sy ny havia.

Resahin'i Paoly toy ny hoe fitaovam-piadiana izay ampiasainy hiadiana ireo ady ara-panahy ny fahamarinan'izy ireo.

fiarovan'ny fahamarinana

"ny fahamarinana no fiarovantsika" na "ny fahamarinana no fitaovam-piadiantsika"

ho an'ny tanana havanana sy ny havia

Ireo mety ho dikany dia 1) misy fitaovam-piadiana ny tanana iray ary ampinga eo amin'ny ilany na 2) izy ireo dia hari-fitaovana tanteraka hiatrehana ady, afaka manohitra ny fanafihana avy amin'ny ilany rehetra.