plt_tn/2co/05/01.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto- kevitra:
Manohy mampifanohitra ny vatan'ny mpino eto an-tany amin'ilay any an-danitra izay homen'Andriamanitra i Paoly.
# raha rava ny fonenana eto an-tany izay itoerantsika, dia manana trano avy amin'Andriamanitra isika
Resahin'i Paoly toy ny hoe "fonenana eto an-tany" mandritra ny fotoana fohy ny vatan'olombelona, ary ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty izay homen'Andriamanitra ho toy ny hoe "trano" maharitra.
# raha rava ny fonenana eto an-tany izay itoerantsika
Azo atao hoe DH: "Raha ravan'ny olona ny fonenana eto an-tany izay hitoerantsika" na "Raha vonoin'ny olona ny vatantsika"
# Izany dia trano tsy nataon'ny tanan'olombelona
Izany dia milaza ny "fanorenan'Andriamanitra." DH: " Izany dia trano tsy nataon'ny olombelona"
# eto amin'ity trano-lay ity isika no misento
Ny teny hoe "trano-lay" dia entina ilazana "ny fonenana eto an-tany izay itoerantska." Ny teny hoe misento dia feo izay avoakan'ny olona maniry mafy ny hahazo zavatra tsara.
# maniry mafy ny hitafy ny fonenatsika any an-danitra
Ny teny hoe "ny fonenantsika any an-danitra" dia entina ilazana ny "fanorenan'Andriamanitra." Resahin'i Paoly toy ny hoe fanorenana sy fitafiana izay afaka anaovan'ny olona iray ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty.
# amin'ny fanaovantsika izany
"amin'ny fitafiana ny fonenantsika any an-danitra"
# tsy ho hita mitanjaka isika
Azo adika hoe DH: "tsy hitanjaka isika" na "Andriamanitra tsy hahita antsika mitanjaka"