plt_tn/2co/05/01.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto- kevitra:

Manohy mampifanohitra ny vatan'ny mpino eto an-tany amin'ilay any an-danitra izay homen'Andriamanitra i Paoly.

raha rava ny fonenana eto an-tany izay itoerantsika, dia manana trano avy amin'Andriamanitra isika

Resahin'i Paoly toy ny hoe "fonenana eto an-tany" mandritra ny fotoana fohy ny vatan'olombelona, ary ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty izay homen'Andriamanitra ho toy ny hoe "trano" maharitra.

raha rava ny fonenana eto an-tany izay itoerantsika

Azo atao hoe DH: "Raha ravan'ny olona ny fonenana eto an-tany izay hitoerantsika" na "Raha vonoin'ny olona ny vatantsika"

Izany dia trano tsy nataon'ny tanan'olombelona

Izany dia milaza ny "fanorenan'Andriamanitra." DH: " Izany dia trano tsy nataon'ny olombelona"

eto amin'ity trano-lay ity isika no misento

Ny teny hoe "trano-lay" dia entina ilazana "ny fonenana eto an-tany izay itoerantska." Ny teny hoe misento dia feo izay avoakan'ny olona maniry mafy ny hahazo zavatra tsara.

maniry mafy ny hitafy ny fonenatsika any an-danitra

Ny teny hoe "ny fonenantsika any an-danitra" dia entina ilazana ny "fanorenan'Andriamanitra." Resahin'i Paoly toy ny hoe fanorenana sy fitafiana izay afaka anaovan'ny olona iray ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty.

amin'ny fanaovantsika izany

"amin'ny fitafiana ny fonenantsika any an-danitra"

tsy ho hita mitanjaka isika

Azo adika hoe DH: "tsy hitanjaka isika" na "Andriamanitra tsy hahita antsika mitanjaka"