plt_tn/2co/04/05.md

1.3 KiB

fa i Kristy Jesosy toy ny Tompo, ary ny tenanay toy ny mpanomponareo nohon'ny amin'i Jesosy

DH: "Fa izahay manambara an'i Kristy Jesosy ho Tompo, ary manambara ny tenanay ho mpanomponareo"

Ny fahazavana hamiratra ao amin'ny haizina

Amin'izany fehezanteny izany, i Paoly dia maneho ny famoronan'Andriamanitra fahazavana, izay voalaza tao amin'ny bokin'ny Genesisy.

Izy namiratra ... mba hanome ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra

Eto ny teny hoe "fahazavana" dia maneho ny fahafahana mahatakatra. Tahaka ny namoronan'Andriamanitra ny fahazavana ho an'ireo mpino. DH: "Izy dia namiratra ... mba hahafahantsika mahatakatra ny voninahitr'Andriamanitra''

tao am-ponay

Eto ny teny hoe "fo" dia entina ilazana ny saina sy ny eritreritra. DH: "ao an-tsainay"

ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra

"ny fahazavana, izay fahalalan'ny voninahitr'Andriamanitra"

ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny fanatrehan'i Jesosy Kristy

"ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy." Tahaka ny namirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra tamin'ny tavan'i Mosesy (Izahao 3:7), izany dia mamirapiratra eo amin'ny tavan'i Jesosy ihany koa. Midika izany fa rehefa mitory ny filazantsara i Paoly, dia afaka mahita sy mahazo ireo hafatra momba ny voninahitr'Andriamanitra ny olona.