plt_tn/2co/03/17.md

20 lines
910 B
Markdown

# Ary isika rehetra
Eto ny teny hoe "isika" dia manondro ny mpino rehetra, ao anatin'izany i Paoly sy ireo Korintiana.
# tsy misarom-boaly, dia mahita ny voninahitry ny Tompo
Tsy toy ireo Zanak'Israely izay tsy afa-nahita ny voninahitr'Andriamanitra nitaratra tamin'ny tavan'i Mosesy satria nosaronany tamin'ny voaly izany, dia tsy misy na inona na inona hanakana ireo mpino amin'ny fahitana sy ny fahafantarana ny voninahitr'Andriamanitra.
# tsy misarom-boaly, dia mahita ny voninahitry ny Tompo
Ny Fanahy dia manova ny mpino ho be voninahitra toa azy. Azo adika hoe DH: "Ny Tompo dia manova antsika ho hitovy amin'ny maha-be voninahitra Azy"
# izay avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra
"avy amin'ny haben'ny voninahitra iray makany amin'ny voninahitra hafa." Izany dia midika fa ny Fanahy dia mampitombo hatrany ny voninahitry ny mpino.
# izay avy amin'ny Tompo
"toy ny avy amin'ny Tompo"