plt_tn/2co/03/17.md

910 B

Ary isika rehetra

Eto ny teny hoe "isika" dia manondro ny mpino rehetra, ao anatin'izany i Paoly sy ireo Korintiana.

tsy misarom-boaly, dia mahita ny voninahitry ny Tompo

Tsy toy ireo Zanak'Israely izay tsy afa-nahita ny voninahitr'Andriamanitra nitaratra tamin'ny tavan'i Mosesy satria nosaronany tamin'ny voaly izany, dia tsy misy na inona na inona hanakana ireo mpino amin'ny fahitana sy ny fahafantarana ny voninahitr'Andriamanitra.

tsy misarom-boaly, dia mahita ny voninahitry ny Tompo

Ny Fanahy dia manova ny mpino ho be voninahitra toa azy. Azo adika hoe DH: "Ny Tompo dia manova antsika ho hitovy amin'ny maha-be voninahitra Azy"

izay avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra

"avy amin'ny haben'ny voninahitra iray makany amin'ny voninahitra hafa." Izany dia midika fa ny Fanahy dia mampitombo hatrany ny voninahitry ny mpino.

izay avy amin'ny Tompo

"toy ny avy amin'ny Tompo"