plt_tn/1ti/02/05.md

1.3 KiB

iray ihany no mpanelanelana an'Andriamanitra sy ny olona

Ny mpanelanelana dia olona iray izay manampy amin'ny fifampiraharahana amin'ny fandriam-pahalemana eo amin'ny antoko roa izay tsy mitovy hevitra. Eto Jesosy dia manampy an'ireo mpanota hiditra ao amin'ny fifandraisana am-pilaminana miaraka amin'Andriamanitra.

nanome ny tenany

"maty an-tsitrapo"

vidim-panavotana ho an'ny rehetra

"tahaka ny vidin'ny fahafahana" na "ho fanorenana ny fahafahana"

tahaka ny fijoroana vavolombelona amin'ny fotoana tokony ho izy

Izany dia afaka atao amin'ny endrika mazava fa izany no vavolombelona izay tian'Andriamanitra hamonjena ny olona rehetra. DH: "tahaka ny porofo amin'ny fotoana izay tian'Andriamanitra hamonjena ny olona rehetra"

amin'ny fotoana tokony ho izy

izany dia midika fa izany no fotoana izay nofidin'Andriamanitra.

Fa amin'izany tanjona izany

"Fa amin'izany" na "fa amin'izany antony"

Izaho, ny tenako, dia natao ho mpitory sy ho apostoly

DH: "Kristy nanao ahy, Paoly, mpitory ary apostoly"

mpampianatra an'ireo Jentilisa amin'ny finoana sy fahamarinana aho

"Mampianatra ireo Jentilisa ny hafatra amin'ny finoana sy fahamarinana aho." Eto, i Paoly dia mety mampiasa ny "finoana" sy "fahamarinana" mba hilazana hevitra iray. DH: "mampianatra ireo Jentilisa momba ny finoana marina aho"