# iray ihany no mpanelanelana an'Andriamanitra sy ny olona Ny mpanelanelana dia olona iray izay manampy amin'ny fifampiraharahana amin'ny fandriam-pahalemana eo amin'ny antoko roa izay tsy mitovy hevitra. Eto Jesosy dia manampy an'ireo mpanota hiditra ao amin'ny fifandraisana am-pilaminana miaraka amin'Andriamanitra. # nanome ny tenany "maty an-tsitrapo" # vidim-panavotana ho an'ny rehetra "tahaka ny vidin'ny fahafahana" na "ho fanorenana ny fahafahana" # tahaka ny fijoroana vavolombelona amin'ny fotoana tokony ho izy Izany dia afaka atao amin'ny endrika mazava fa izany no vavolombelona izay tian'Andriamanitra hamonjena ny olona rehetra. DH: "tahaka ny porofo amin'ny fotoana izay tian'Andriamanitra hamonjena ny olona rehetra" # amin'ny fotoana tokony ho izy izany dia midika fa izany no fotoana izay nofidin'Andriamanitra. # Fa amin'izany tanjona izany "Fa amin'izany" na "fa amin'izany antony" # Izaho, ny tenako, dia natao ho mpitory sy ho apostoly DH: "Kristy nanao ahy, Paoly, mpitory ary apostoly" # mpampianatra an'ireo Jentilisa amin'ny finoana sy fahamarinana aho "Mampianatra ireo Jentilisa ny hafatra amin'ny finoana sy fahamarinana aho." Eto, i Paoly dia mety mampiasa ny "finoana" sy "fahamarinana" mba hilazana hevitra iray. DH: "mampianatra ireo Jentilisa momba ny finoana marina aho"