plt_tn/1ti/01/12.md

52 lines
1.8 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
I Paoly dia milaza ny fomba niasany taloha ary nankahery an'i Timoty mba hahatoky an'Andriamanitra.
# Isaorako
"Feno fankasitrahana aho"
# nataony mahatoky aho
"nihevitra ahy ho azo itokisana izy" na "nihevitra ahy ho azo atokisana"
# ary nanendry ahy ho amin'ny fanompoana Izy
I Paoly dia miresaka momba ny asa fanompoana an'Andriamanitra tahaka ny hoe toerana izay tsy misy olona afaka mipetraka amin'izany. DH: " notendreny aho hanompo azy" na "nanondro ahy toy ny mpanompony izy"
# Izaho dia mpiteny ratsy
"milaza ratsy manohitra an'i Kristy aho". I Paoly dia manambara ny fotoana talohan'ny naha-Kristiana azy.
# mpanenjika
"manenjika ireo izay nino an'i Kristy aho"
# lehilahy mahery setra
"Ratsy fanahy tamin'ny olona hafa aho." Olona iray izay mino fa manan-jo handratra ny hafa izany.
# Kanefa nahazo famindram-po aho satria tamin'ny tsy fahalalana no nanaovako izany noho ny tsy finoana
"Kanefa satria tsy nino an'i Jesosy aho, ary tsy nahalala izay nataoko aho, nahazo famindram-po avy amin'i Jesosy"
# nahazo famindram-po
"Jesosy nampiseho famindram-po tamiko" na "Namindra fo tamiko i jesosy"
# Fa ny fahasoavan'
"ary ny fahasoavana"
# ny fahasoavan'ny Tompontsika no nandrakotra
I Paoly dia miresaka momba ny fahasoavan'Andriamanitra tahaka ny hoe rano izay mahafeno daba ary manary any amin'ny tampony rehefa feno ilay daba. DH: "Andriamanitra nampiseho fahasoavana be"
# tamin'ny finoana sy fitiavana
Izany dia vokatry ny fampisehoan'Andriamanitra fahasoavana be an'i Paoly. DH: "izay nahatonga azy hahatoky an'i Jesosy ary hitia azy"
# izay ao amin'i Kristy Jesosy
I Paoly dia miresaka momba an'i Jesosy tahaka ny oe daba izay mihazona rano. Eto "I Kristy Jesosy" manambara ny fananana fifandraisana miaraka amin'i Jesosy. DH: Fa i Kristy Jesosy dia namela ahy hanome an'Andriamanitra satria miombona aminy aho"